👉 Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
✅ Ho tohin’ireo fampiofanana ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana sy ny tompon’andraikitra eny ifotony dia teny amin’ny fari-piadidian’ny Kaomisarian’ny Boriborin-tany faha 6 Ambohimanarina indray no nanatanterahana ny hetsika Bemidina ny alin’ny 29 Aprily 2025.
👮‍♂️ Araka izany, nidina ifotony teny amin’ny Kaomisarian’ny boriborin-tany faha 6 Ambohimanarina niaraka tamin’ireo vaomieran’ny fandriam-pahalemana ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Polisimpirenena, nanao fisafoana mandeha an-tongotra ary niditra tamin’ireo elakelan-trano, nanentana ny mpivarotra toeram-pisotroana amin’ny ora fikatonana, niresaka mivantana tamin’ny mponina amin’ny fepetra fitandremana sy andraikitra izay tandrify manoloana ny trangana tsy fandriam-pahalemana.
🚔 Izany dia notarihin’ny talen’ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierette Marie Françoise, izay tompon-kevitra amin’ny fampiofanana.
✅ Nandritra ny fotoana nanaovana fisafoana no nahatratrarana lehilahy iray 27 taona nitondra fonosana rongony teny Anosivavaka ; avy hatrany dia noentina teny amin’ny biraon’ny Polisy Ambohimanarina ity farany nanaovana fanadihadiana.

MITOHY HATRANY NY FAMETRAHANA NY FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA ATAON’NY POLISIMPIRENENA AMIN’NY ALALAN’NY HETSIKA BEMIDINA

Vous pourrez aussi aimer