➡️Fahombiazana no vokatra azo teto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, teo anatrehan’ny fanomanana sy ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fitsidihana ara-panjakana sy ny fihaonana an-tampony fahadimin’ny vaomieran’ny Ranomasimbe indiana natao teto amintsika ny 23 – 24 Aprily 2025 fa indrindra ny fankalazana ny fetin’ny Paska.
➡️Nanolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny fianakaviamben’ny Polisimpirenena androany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, nandritra ny fampivondronana izay notarihany teny amin’ny Tobin’ny Hery Vonjy Taitran’ny Polisimpirenena (FIP) teny Antanimora, ny teo amin’ny Minisitera foibe tetsy Anosy, ary ny tao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna. Tamin’izany no nanamafisany sy nanomezany toromarika fa tokony tohizana hatrany ny ezaka rehetra efa natao, ary tsy maintsy hajaina hatrany ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny Polisimpirenena izay voafaritra anatin’ny etika sy ny déontolojia mifehy ny asa.
➡️Nandrisika hatrany ny Polisy ny tenany mba hanatanteraka ny asany am-pitiavana sy amin’ny maha-matihanina tanteraka, mba hahatonga izany ho tombontsoa iraisan’ny vahoaka Malagasy. Nankahery sy namporisika sahady ireo Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka nandritra ny fihaonana mivantana nataony tamin’izy ireo mba tsy ho latsa-danja amin’izay efa vita teo aloha, ary hihatsara hatrany ny asa ho atao amin’ireo fotoan-dehibe ho avy manaraka, dia ny fankalazàna ny Fetim-pirenena sy mandritra ny fivoriana an-tampon’ny SADC izay ho atao eto amintsika amin’ny volana Aogositra ho avy izao.

MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA : NANOLOTRA FISAORANA NOHO NY FOMBA FIASA MATIHANINA NASEHON’NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA IREO FOTOAN-DEHIBE NISEHO TETO AMIN’NY FIRENENA TAMIN’NY VOLANA APRILY, NITONDRA TORO-MARIKA SY NAMPORISIKA IHANY KOA MBA HITONDRA FANATSARANA HATRANY AMIN’NY ASA IZAY MBOLA MIANDRY

Vous pourrez aussi aimer