👉Fitantanana ny maha olona, fiofanana mitohy
✅Nosokafana ny 5 May 2025 teny amin’ny Tobin’ny Commandement des Formations Spécialisées (CFS) Ivato ny fiofanana mahakasika ny fiarovana olo-manan-kaja, na ny “Protection des Hautes Personnalités” (PHP) niarahan’ny Polisimpirenena sy ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.
✅Tonga nanome voninahitra sy nanokatra izany ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierette Marie Françoise, Tale misahana ny Fiofanana mitohy sy Fikarohana eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ; ny Colonel ADOLPHE TOVOLAHY, lefitra faharoa ny lehiben’ny CFS ; ny Lieutenant-Colonel PASCAL KLECK, solontenan’ny fiaraha-miasa ara-piarovana amin’ny Minisiteran’ny Atitany Frantsay ; ary ny Lieutenant-Colonel RANDRIANIRINA Rivo, lehiben’ny vondrona manokana GSIS.
✅Natao hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpitandro filaminana malagasy, indrindra ho fanomanana ny fandraisana ny fivoriamben’ny SADC amin’ny volana Aogositra ho avy izao ity fiofanana ity. Fiaraha-miasa eo amin’ny Masoivoho Frantsay sy ny mpitandro filaminana malagasy no nahafahana nanao izao hetsika izao.
✅Nankasitrahana manokana ireo mpampiofana nandritra ny fandraisam-pitenenany ny talen’ny DRFC eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, nambarany fa tena ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa izao ny fiofanana izao. Ireo mpiofana kosa dia hampita izany fahalalàna izany amin’ireo mpiara-miasa aminy isanisany.
✅Mpiofana 20 no mandray anjara : 10 avy amin’ny Polisimpirenena ary 10 avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Maharitra herinandro ny fiofanana.

FIOFANANA “PROTECTION DES HAUTES PERSONNALITES” : NATOMBOKA TENY IVATO

Vous pourrez aussi aimer