👉Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zavamahadomelina
➡️Mitohy hatrany ny famongorana ny fiparitahan’ny zavamahadomelina ataon’ny Polisimpirenena. Lehilahy roa indray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelina (STUP) Anosy.
➡️Ny marainan’ny 07 Mey 2025 dia tratra ambodiomby teo am-pivarotana rongony milanja 15 kilao sy fonosana miisa 23 tao an-tranony tetsy Anosivavaka, Ambohimanarina, ny lehilahy iray. Ny iray kosa dia tra-tehaka tetsy Morondava, Ambohibao, ny tolakandron’ny 06 Mey 2025, no sady mbola hita teny aminy ny rongony amin’ny karazany “Skunk” milanja 300 grama.
➡️Natolotra ny fampanoavana izy roalahy ireto ny 08 Mey 2025 ka nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISY NOHO NY FITAZONANA SY FIVAROTANA ZAVAMAHADOMELINA

Vous pourrez aussi aimer