👉Ady amin’ny asan-jiolahy
➡️Lehilahy miisa roa no tratran’ny Polisimpirenena tao Ankirihiry, Toamasina ny alin’ny 9 May 2025, nitondra basy tsy ara-dalà na miisa 2, rongony mahery vaika cocaïne sy Heroïne, menaka rongony Cannabis ary fitaovam-piadiana hafa. Nitondra fiara tsy mataho-dalana ireto lehilahy roa ireto no sendran’ny Polisy manao fisafoana amin’ny alina ka tratran’ny fisavà na ary noraisim-potsiny. Nandritra ny fisavà na dia hita fa efa voafahana ny iray tamin’ireo basy ary niaraka tamina bala miisa 7 tao anaty « boite chargeur ». Noentina namonjy ny biraon’ny Polisimpirenena avy hatrany izy ireo hatao andri-maso sy hanokafana fanadihadiana.
➡️Teto Antananarivo indray dia lehilahy miisa roa mpampihorohoro ny mponina amin’ny basy eny amin’ny faritra Andranomena no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria Ambohimanarina ny 10 may 2025 vao maraim-be raha mbola tany ampiandrasam-paty. Olon-tsotra tsara sitra-po ary notazonina ho tsiambaratelo tanteraka ny momba azy, no nampilaza tamin’ny Polisy ny fihetsika mampiahiahy sy mampitahotra ny manodidina izay fanaon’izy roalahy ireto ka niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny Polisy. Basy poleta fanaovana fanazarana-tena, saingy manana endrika tahaka ny tena izy, no entin’izy ireo mampitahotra ny mpiray tanà na aminy. Efa notazonina eny amin’ny birao izy roalahy ireto hanaovana fanadiadihana.

TOAMASINA / ANTANANARIVO : BASY TSY ARA-DALANA MIISA 3 TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA, LEHILAHY 4 VOASAMBOTRA