👉Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
✅Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP2 Mangarano, Toamasina, ny harivan’ny 10 May 2025 noho ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika cocaïne. Angom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa anisan’ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina mahery vaika ao Toamasina ireto lehilahy ireto ka nanaovan’ny Polisy velam-pandrika. Vokany : voasambotra tao Ambohijafy ny iray ary voasambotra teny amin’ny kianja Lemalady ny iray faharoa.
✅ Ankoatran’ireo cocaïne efa vita fonosana sy vonona ho amidy tany amin’izy ireo dia mbola nahatratrarana tamin’ity zava-mahadomelina ity ihany koa tany an-tranon’ireto olon-dratsy ireto. Mahatratra 6 grama mahery no cocaïne tratra tany amin’izy ireo.
✅ Tsy mikely soroka amin’ny ady amin’ny fipariahan’ireto karazana zava-mahadomelina mahery vaika ireto ny Polisimpirenena. Entanina hatrany ny fanomezam-baovao avy amin’olon-tsotra izay tanana tsiambaratelo ny momba izany.

TOAMASINA : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FITAZONANA SY FIVAROTANA ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA COCAĂŹNE