Fitokanana ny Kaomisarian’ny Polisim-pirenena Sainte Marie

Sainte Marie, 20 aogositra 2022
Tamin’ny taona 1976 no nisy kaomisarian’ny Polisim-pirenena voalohany tao Sainte Marie ary izao vao nahazo fotodrafitrasa vaovao indray. Natolotry ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny distrikan’i Sainte Marie izany fotodrafitrasa izany androany 20 aogositra 2022.
Tsy misy fampandrosoana mirindra raha tsy tafapetraka ny fandriampahalemana hoy ny Filoha nandritra ny lahateniny, ary tafiditra indrindra ao anatin’ny paikady entin’ny Fitondram-panjakana manatanteraka ny fanamby napetraka, dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, sy ny Firenena tan-dalàna ny fananganana izao fotodrafitrasa izao.
Rantsa-mangaikan’ny Fitalevam-paritry ny Filaminam-bahoakan’ny Faritra Analanjirofo ity kaomisarian’ny polisy ao Sainte Marie ity. Polisy miisa 26 no mandray an-tanana ny asa fitandroana ny filaminana ao amin’izany, izay hisahana ihany koa fanaraha-maso sy ny fiarovana ny habakabaka sy ny sisin-dranomasina, ary ny fivezivezen’ny entana sy ny olona eny amin’ny seranan-tsambo. Mponina miisa hatramin’ny 28500 ao anatin’ny fokontany 17 izay mandrafitra ny distrika sy ireo mpizahatany maro be tonga ao an-toerana no hisitraka mivantana ny tombontsoa azo avy amin’ny fisian’izao birao vaovao izao.

Fitokanana ny Kaomisarian’ny Polisim-pirenena Sainte Marie

Vous pourrez aussi aimer