➡️Notanterahina tetsy amin’ny ENSP Mamory Ivato ny 12 Mey 2025 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-55 taona nijoroan’ny sekoly, izay efa namolavola sy namoaka andiany miisa 25 ho an’ny Commissaire de Police ary andiany 26 ho an’ny Officier de Police.
➡️Nisongadina tamin’ny fotoana androany ny fananganan-tsaina maraina, narahina hazakazaka niarahana tamin’ireo Tale nifandimby nitantana ny sekoly, ireo Polisimpirenena miasa eto anivon’ny sekoly ary ireo mpianatra ho Polisy andiany MENDRIKA sy andiany MIAHI.
➡️Nanolotra marim-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa efa nahavita be (5 ka hatramin’ny 25 taona) niasa teto amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy ihany koa ny tompon’andraikitra.
➡️Nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina, izay efa nitàna ny andraikitra maha talen’ny sekoly teo amin’ny ENSP ihany koa. Nisaotra sy nankasitraka manokana ny ezaka ataon’ireo Polisy sy mpampiofana rehetra eto anivon’ny ENSP izy, amin’ny fanatanterahana ny andraikitra masina amin’ny fanabeazana sy fanofanana Polisimpirenena vonona sy vanona.