👉Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
➡️Notarihin’ny Tale jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius ny fidinana ifotony ho fanaraha-maso ny fomba fiasan’ny Polisimpirenena eny an-kianja ny harivan’ny 12 May 2025. Niara-dalana taminy tamin’izany ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.
➡️Tao amin’ny fari-piadidian’ny Kaomisarian’Isotry no nanombohana ny fidinana ifotony, toy ny teny Antohomadinika IVO sy Ambodinisotry. Nitohy tao amin’ny fari-piadidian’ny Kaomisarian’i 67 Hekitara sy tao amin’ny Kaomisarian’i Mahamasina izany.
➡️Nitafa mivantana tamin’ny mponina ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, niresaka tamin’ireo lehibem-pokontany sy ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana ihany koa. Namafisiny ny maha-zavadehibe ny fitazonana hatrany ny fifandraisana amin’ny Polisimpirenena, ny fampilazàna avy hatrany raha misy olona mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina eny.
➡️Nisy ihany koa ireo toromarika nomeny ny Polisimpirenana, ny hanamafisana ny paikady hapetraka mba hisian’ny fandriam-pahalemana amin’ireo toerana izay notsidihana.

FAMETRAHANA FANDRIAM-PAHALEMANA MAHARITRA : MIROTSAKA AN-TSEHATRA MANARA-MASO NY FOMBA FIASAN’NY POLISIMPIRENENA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONY MBA HAHAFAHANA MITONDRA FANATSARANA HATRANY SY MANAMAFY NY EZAKA VITA

Vous pourrez aussi aimer