➡️Ny zoma 16 mey 2025 atoandro no voasambotry ny Polisy tao Tanakambana ny lehilahy 3 voarohirohy tamin’ny vono olona feno habibiana niseho tao Ambakaka, Distrikan’Ikongo, ny Alarobia 14 Mey 2025.
➡️Lehilahy efa niaraka tamin’ilay vehivavy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny iray tamin’ireo voarohirohy, ary mbola nahatratrarana fitafiana nihoson-drà tany aminy. Niaiky ny iray tamin’izy ireto fa anisan’ireo namono an’ilay vehivavy.
➡️Tanana atao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny Kaomisarian’Ikongo ireo voarohirohy.