Polisimpirenena malagasy, miaro sy manampy ny vahoaka
➡️Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Itaosy ny marainan’ny zoma 17 mey 2025 teny amin’ny fasan’Amboatavo Itaosy ny vehivavy iray 50 taona, voarohirohy ho nanao fisolokiana sy fanendahana tamina mpianatra. Taorian’ny fitarainana nataon’ireo mpianatra avy ao amin’ny Lycée Saint Michel Itaosy, izay isan’ireo lasibatr’ity vehivavy ity, no nanao ny fikarohana sy vela-pandrika hahafahana misambotra azy ny Polisy.
➡️Nilaza ireo mpianatra fa misoloky azy ireo ity vehivavy ity amin’ny alalan’ny fanolorana firavaka sandoka ho takalon’ny finday na zavatra sarobidy eny amin’izy ireo. Rehefa manaiky hifanakalo ireo mpianatra, dia entin’ity ramatoa ity any amin’ny toerana mangingina ka mamoaka antsy izy no sady mandrahona ireo mpianatra mba hanome izay any aminy rehetra.
➡️Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ity ramatoa ity rehefa natolotra ny fampanoavana ny 21 Mey 2025.
✅Manentana ny rehetra ny Polisimpirenena mba hampandre avy hatrany rehefa misy trangana tsy fandriam-pahalemana mba hisorohana ny loza mety hiseho.

VEHIVAVY 50 TAONA MISOLOKY SADY MANAO HERISETRA AMINA MPIANATRA, VOASAMBOTRY NY POLISY AVY AO AMIN’NY KAOMISARIA ITAOSY

Vous pourrez aussi aimer