Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
➡️Ny alin’ny 26 Mey 2025, naharay antso ny Polisimpirenena fa misy trangana halatr’omby tao amin’ny fokontany Ambatofotsy Maevatanana. Tsy niandry ela fa nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny Polisy ary niroso tamin’ny fanarahan-dia niaraka amin’ny Fokonolona.
➡️Vaky nandositra ireo dahalo vao nahita ny Polisy ka navelany teo amoron’ny reniranon‘ Ikopa ireo omby miisa 07 izay vao nangalariny. Tafaverina soamantsara amin’ny tompony ireo omby lasan’ny dahalo taorian’ny fanamarinana.