Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
✅Mirotsaka an-tsehatra mifandray mivantana amin’ny mponina ny Brigade Féminine de Proximité (BFP), tsy miresaka fotsiny momba ny fanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra, fa eo ihany koa ny fanentanana momba ny fitandremana amin’ireo ambana amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
➡️Isan’ny hetsika efa fanaon’ny BFP ny mizara ireo laharana finday ahazoana ny Polisimpirenena ary hamafisiny hatrany izany. Nanomboka androany indray ity hetsika ity izay hitety boriborin-tany maro eto Antananarivo ary natomboka tao afovoan-tanàna, dia Analakely sy Ambohijatovo.
➡️Ankoatran’ny fampiharana ny paikady : Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka, dia tanjona amin’izao ihany koa ny hahazoana loharanom-baovao ara-potoana raha misy tranga tsy fandriam-pahalemana na ilàna ny firotsahana an-tsehatry ny Polisy.
BRIGADE FÉMININE DE PROXIMITÉ (BFP) TSARALALANA : MITOHY NY HETSIKA HO FANATANTERAHANA NY TENY MIAINA « POLISIMPIRENENA MIARO SY MANAMPY NY VAHOAKA »