Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
➡️Lehilahy iray no tratran’ny Polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato ambodiomby teo am-pivarotana rongony tao antranony tao Ampangabe Anjanakinifolo, ny marainan’ny Alahady 8 Jona 2025.
➡️Rongony 1Kg sy fonosana rongony miisa 113 no tratra tao aminy nandritra ny fisavana ny toeram-ponenany. Olon-tsotra tsara sitrapo no nanome ny loharanom-baovaon’ny Polisy ka nahafantarana ny fisian’ity mpivarotra rongony ity. Tanana atao fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny Polisy izy mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

LEHILAHY IRAY NO SARON’NY POLISY NOHO NY FITAZONANA SY FIVAROTANA RONGONY TAO AMPANGABE ANJANAKINIFOLO.

Vous pourrez aussi aimer