Ady amin’ny fisolokiana
➡️Araka ny fitarainana nataona olom-boafidy iray teo aloha, tao Ambatondrazaka, dia nisy lehilahy niantso azy foana ary mitonona ho mpitsara miasa ao amin’ny tribonaly Ambatondrazaka. Nilaza ity lehilahy ity fa misy raharaha eny amin’ny fitsarana momba ity olom-boafidy teo aloha ity, ka mba hampilamina izany dia nangataka vola 56 tapitrisa Ariary taminy io olona mitonona ho mpitsara io.
➡️Nampitahotra ity mpitsara sandoka ity fa raha tsy mandoa ny vola izay takiany ilay olom-boafidy teo aloha dia hampidirina am-ponja avy hatrany. Manoloana izany dia nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena ao Ambatondrazaka izy.
➡️Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ireo Polisy tao an-toerana nametraka velam-pandrika niarahana tamin’ilay olom-boafidy. Ny marainan’ny 14 jona 2025 dia voasambotra teny Avaradrova, Ambatondrazaka ny lehilahy iray 47 taona saika haka ny vola. Nahitana basy poleta iray marika italiana sy bala miisa 12 calibre 22 LR teny aminy, niampy bala calibre 12 miisa 6, tamin’ny fisavàna.
➡️Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy avy hatrany ity olon-dratsy ity hatao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana.