Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
➡️Ankoatran’ny iraka manokana ho fiarovana ireo ivon-toerampanadinana nandritra ny adina CEPE teo, tao Mahajana dia nampiseho fihetsika ho fanohanana sy fankaharezana ireo ankizy madinika sy ny raiamandreny ihany koa ny FIPOMIMA na ny Fikambanan’ny Polisy Miasa ao Mahajanga. Nizara sakafo sy ody ambava fo teny amin’ireo ivon-toerampanadinana CEPE miisa efatra tao an-tanànan’i Mahajanga ny fikambanana dia ny CEG Charles Renel, CEG Mahabibo, CEG Ampisikina ary EPP Fiofio.
➡️Tsy ireo ankizy ihany, fa nisitraka izany koa ireo olona marefo ara-pivelomana teo amin’ny rond-point Mahabibo, ary dia nizaràna izany fanomezana izany.
➡️Miezaka hatrany ny Polisimpirenena amin’ny fampiharana ny Politika manakaiky ny vahoaka mba hahatsapan’izy ireo fa eo hatrany mijoro ho miaro sy manampy ny mpiray tanindrazana ny Polisy.

MAHAJANGA, NANKAHERY SY NANOHANA IREO ANKIZY NIATRIKA NY FANADINANA CEPE NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer