Hetsika tafiditra anatin’ny fankalazàna ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena ny hetsika nampisehoana ny fahaiza-manao ara-tafika sy ara-tekinika nataon’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana malagasy izay ahitàna ny Tafika, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny tolakandro teo.
➡️Nivoitra ny fahaizana miara-miasa teo amin’ireo Hery Fiaroavana sy Filaminana malagasy tamin’ny fihetsika matihanina sy feno fahakiangàna nampisehony. Hita tokoa fa efa mivoatra tanteraka ny fahaiza-manaon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana malagasy.
➡️Nandritra ny fotoana dia nisy fampisehoana manokana mahakasika ny fanafihana sy fanafahana olona voababo, fampisehoana tekinika amin’ny haiady ho fiarovan-tena, ary ny fampiasàna ny fitaovana toy ny fiara sy moto ary ny helikoptera.
➡️Niavaka sy nanaitra ny maro ihany koa ny fampisehoana ny fahaiza-manao amin’ny asa izay nataon’ny teo anivon’ny Polisimpirenena amin’ny alalan’ny famelomana ny tranga mety hisy eny an-kianja, sy ny fahafahana mifehy ny ambana amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary hahafahana miaro ny mpiray Tanindrazana. Hita taratra izany na ho an’ny fiarovan-tena tsy misy fitaovam-piadiana na ny fampiasàna fitaovam-piadiana ho an’ny mpitandro ny filaminana.
➡️Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Foloalindahy ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin ; ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ary ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara, ankoatra ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.