Fotoam-pivavahana teny amin’ny EKAR KATEDRALY Andohalo no nanohizan’ny Hery Fiaraovana sy Filaminana ny fankalazana ny faha 65 taonany niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena Malagasy ny alahady faha 22 jona 2025 tolakandro.
➡️Nitarika ny fotoana tamin’ izany ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana FFKM. « Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampidinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara rehetra » (Hebreo 10: 24 ) io tenin’ny soratra Masina io no netina nifampizaràna tamin’ireo mpino marobe sy ireo Hery Fiarovana sy Filaminana amin’ ny adidy lehibe miandry ny tsirairay manolana ny asa izay iantsorohana eto amin’ ny firenena.
➡️Nanotrona ity fotoana natokana hitondràna am-bavaka ny firenena ity ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin ; ny Minisitry ny Fitsaràna, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis ; ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina Ramatoa RAZAFINJATO Aurélie. Niara niombom-bavaka tamin’ity fotoana ity ny Tafika, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena ; maro ihany koa ireo manam-pahefàna Sivily sy Miaramila izay tonga teny an-toerana ankoatran’ireo mpino kristiana izay nameno ny Katedraly Andohalo.

NITOHY TETSY AMIN’NY EKAR KATEDRALY ANDOHALO NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA HO FANKALAZANA NY FAHA 65-TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA NIARAHAN’NY HERY FIAROAVANA SY FILAMINANA ARY NANASANA NY MPIRAY TANINDRAZANA IHANY KOA TAMIN’NY FIOMBONAM-BAVAKA

Vous pourrez aussi aimer