👉Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
✅Nanatanteraka fidinana ifotony amin’ny alina teny amin’ireo toerana hiasan’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ny alin’ny 23 Jona 2025.
➡️Nanotrona azy tamin’izany ireo tale maro sy tompon’andraikitra ambony eto amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
Nankahery sy nanome toromarika an’ireo Polisy miasa rehetra izay misahana sy mitandro ny filaminana ao anatin’izao fety izao ny Minisitry ny Filaminambahoka indrindra ny mba anatanterahan’izy ireo ny asany an-tsakany sy an-davany ka tsy hikely soroka ny amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
➡️Nirary soa azy ireo ihany koa ny Minisitry ny Filaminambahoaka mba hananan’izy ireo hery sy fahasalamana eo am-panatanterahana ny asa.
➡️Nanamafy ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ireo Polisy eny an-kianja fa lehibe sy masina ny andraikitry ny Polisimpirenena amin’ny fiarovana ny mpiray Tanindrazana.
FITANDROANA NY FILAMINANA MIALOHA, MANDRITRA ARY AORIAN’NY FANKALAZANA NY FAHA 65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : NANKAHERY IREO POLISY MIASA MANDRITRA NY ALINA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA