➡️Toy ny fanao isan-taona dia nanolotra fanomezana hoan’ireo Kamboty Ivelan’ny Akany (KIA) ny FIVAPOVA amin’izao ankatoky ny fetin’ny Fahaleovantena izao, tetsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna ny alatsinainy 23 jona 2025.
➡️Kilalao, sakafo sy zava-pisotro ary kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no nozaraina tamin’ireo ankizy miisa 78 izay avy amin’ny tokantrano miisa 43.
➡️Nisaotra manokana ireo mpanohana tsy manadino ireo kambotin’ny Polisy i Ramatoa Faniry RAKOTOARIMANANA vadin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sady Filoham-boninahitry ny FIVAPOVA. Tsy hadinony ihany koa ny nisaotra manokana an-dramatoa Holiniaina ANDRIANALISON, vadin’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Analamanga izay reny mpiahy ireo kamboty ivelan’ny akany.
➡️Nanotrona sy nanome voninahitra izao lanonana izao ireo mpandrindra nasionalin’ny FIFAPOVA, ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka ary ireo vahiny manan-kaja maro nasaina.

FIVAPOVA ANALAMANGA: NANOLOTRA FANOMEZANA HOAN’NY KIA NA NY KAMBOTY IVELAN’NY AKANY AO AMIN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer