Niaraka nifaly ary nizara fanomezana ho an’ireo ankizy avy ao amin’ny Akany fitaizàna ny zaza kambotin’ny Polisimpirenena ao Ambatolampy ireo raiamandreny mpiahy azy ireo eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, notarihin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny 25 Jona 2025.
✅Nasehon’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka fa tsy irery akory ireto zaza ireto fa mijery azy ireo ny Minisitera. Araka izany, natomboka tamin’ny fiarahana misakafo teny amin’ny Sekoly Ambony ho an’ny Polisy na ny ENSP Ivato ny fiarahana. Taorian’izay dia ankizy miisa 55 no nisitraka fanomezana maro samihafa, toy ny kilalao, vatomamy, akanjo vaovao, lamba firakotra, kapa , kitapo, sakafo, vary amin’ ny kitapo ary fitaovam-pianarana teny amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Analamanga teny Ivato ihany.
✅Nanome voninahitra ny fotoana ny Governoran’ny faritra Analamanga, Andriamatoa Hery RASOAMAROMAKA sy ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, notronin’ireo fikambanana samihafa eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.