Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
✅ Lehilahy roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CSP Soavinandriana nandritra ny fisafoana alina ny 6 jolay 2025. Rehefa nosavain’ny Polisy izy roalahy ireto dia nahatratrarana entana maro mampiahiahy sy fitaovana ahafahana mamaky trano tany aminy. Rehefa nohadinkadinina tokoa dia niaiky fa avy namaky trano tao amin’ny fokontany Avaratsena ireto roalahy nifanehatra tamin’ny Polisy.
✅ Tamin’ny fanadihadiana dia nanoro ny vehivavy iray mpandray ny entana halatra ireto mpamaky trano.
✅Notazonina ao amin’ny kaomisaria izy telo ireto hanaovana fanadihadiana sy hatao andri-maso.

MPAMAKY TRANO ROA SY MPANDRAY ENTANA HALATRA IRAY VOASAMBOTRY NY POLISY TAO SOAVINANDRIANA

Vous pourrez aussi aimer