Ady amin’ny fisolokiana
✅Fisolokiana, fisandohana andraikitra, fampiasana sy famokarana hosoka ; izany rehetra izany no fandikan-dalàna nanenjehana an’ity lehilahy 28 taona ity.
➡️Fitarainana nataon’ny mponina tao amin’ny Fokontany Ampamakiambato no voarain’ny Polisy avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka tao Taolagnaro ka nirosoana tamin’ny fanadihadiana.
Fantatra tamin’izany fa maka vola tsy amin-drariny amin’ireo mponina ity lehilahy ity ary milaza fa iraka avy amina orinasa lehibe vitsivitsy ao Taolagnaro ary afaka mampiditra mpiasa. Nisy nahatsikaritra anefa io teti-dratsiny io ka nampilaza ny Polisimpirenena.
➡️Niroso tamin’ny fisamborana ity mpisandoka ity ny Polisy ny faran’ny herinandro teo ka natolotra ny fampanoavana izy ny 8 Jolay 2025 ary nidoboka am-ponja ao Taolagnaro.