Ady amin’ny asan-jiolahy
➡️Nitrangàna asan-dahalo tao amin’ny fokontany Labirotsy Amboasary Atsimo ny 13 jolay 2025 tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nisy andiana dahalo nikasa hangalatra omby tao amin’ity fokontany ity tamin’io fotoana io ary tsikaritry ny mponina ka nampandre haingana ny Polisy miasa ao amin’ny Poste Avancé ao amin’io toerana io ny teo an-tanàna. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ireo Polisy ka raikitra ny fifampitifirana. Resy tosika ireo olon-dratsy ary dahalo iray no maty ; azo nandritra izany ny basy vita gasy iray sy bala miisa 06.
➡️Tsy nisy omby very ary tsy nisy naratra ny teo anivon’ny mponina sy ireo Polisy nanatanteraka ny asany.

 

DAHALO IRAY NO MATY VOATIFITRY NY POLISIMPIRENENA TAO AMIN’NY FOKONTANY LABIROTSY AMBOASARY ATSIMO

Vous pourrez aussi aimer