Ady amin’ny asan-jiolahy
➡️Lehilahy iray 43 taona no voasambotry ny Polisin’ny FIP tao Tanambao, ny 13 jolay 2025, noho ny resaka vaky trano.
➡️Manoloana ireo trangana vaky trano matetika niseho tao Tanambao sy ny manodidina dia nanamafy ny asa fiambenana sy fisafoana ireo Polisy miasa ao an-toerana. Ny 13 jolay dia nahazo loharanom-baovao ny Polisy fa misy lehilahy mitatitra entana mampiahiahy avy ao Tanambao mandeha eny amin’ny fasam-bazaha.
➡️Nidina teny an-toerana ny Polisy nanaradia no sady nanamarina izany ary hita tao ity lehilahy ity miaraka amin’ny karazana entana halatra maro izay asitriny ao amin’ity toerana ity. Kojakojan-dakozia, kidoro, akanjo ary entana hafa maro no hita tao nandritra ny fisavana nataon’ny Polisy.
➡️Nentina namonjy ny birao avy hatrany ity lehilahy ity natao famotorana ary fantatra nandritra izany fa efa nigadra izy noho ny resaka vaky trano sy halatr’omby ihany.

MAINTIRANO : LEHILAHY IRAY MPAMERIN-KELOKA AMIN’NY VAKY TRANO VOASAMBOTRY NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer