Ady amin’ny famaraninan’olombelona
➡️Vehivavy iray 26 taona no tratran’ny Polisin’ny PAF tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny 12 Jolay 2025 raha nikasa hanondrana zazavavy kely vao 8 volana ho any Gabon tamin’ny sidina Ethiopians Airlines.
➡️Nisandoka ho renin’ilay zaza izy kanjo rehefa nisy fanadihadiana nataon’ny Polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (PAF) eny Ivato, dia fantatra fa navoaka tamina akany mpitaiza kamboty iray eto Andrenivohitra ilay zaza.
➡️Namboraka ilay vehivavy fa nokaramaina 3 tapitrisa Ariary mba hitondra ilay zaza. Nisy ny firaisana tsikombakomba tamina olona maro amin’ity raharaha famarinan’olombelona ity raha ny tohin’ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena. Ao anatin’izany ny mpanao taratasy hosoka, ny mpikaroka zaza, ny mpampiantrano ireo vehivavy misandoka ho renin’ilay zaza ary ny mpitondra ilay zaza mivoaka an’i Madagasikara.
➡️Olona 8 no efa voasambotra amin’ity raharaha ity, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo sisa izay mety mbola ho tafiditra amin’izany. Efa natao fizaham-pahasalamàna kosa ary napetraka amin’ny akany sahaza azy ilay zaza.
➡️Ho atolotra ny Fampanoavana ireo rehetra voasaringotra amin’izao raharaha famarinan’olombelona izao rehefa vita ny fanadihadiana savaranonando

 

TAMBAZOTRA MPANAO TRAFIKAN-JAZA ALEFA ANY IVELANY, SARON’NY POLISIN’NY PAF TENY IVATO

Vous pourrez aussi aimer