Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
➡️Raha tsiahivina dia tamin’ny volana Martsa 2025 teo no tsy hita intsony ny tovolahy iray rehefa niala tao an-tranony tao Arivonimamo, voalaza fa handeha hividy vary tany Analavory. Nametraka fitarainana teny amin’ny Polisimpirenena ny fianakaviany noho izany.
➡️Nanao ny fikarohana sy fomba rehetra hahafantarana ny marina ny Polisy ka efa nisy ny olona nahiahiana.
Niaiky ny heloka nataony ny olona iray voasambotra voalohany ary nanoro no toerana nanitrihany an’ilay tovolahy nofitahiny sy novonoiny. Nanoro ny mpiray tsikombokomba taminy ihany koa io voasambotra voalohany io.
➡️Nidina ifotony nanao fisamborana ireo olona nahavanon-doza namono sy nahafaty an’i Mahandry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Arivonimamo sy Soavinandriana, ny talata 15 Jolay 2025, tany Ambohitrimanjaka, Distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy.
➡️Rehefa tonga tany amin’ilay toerana voatondro dia hita tao tokoa ny razana, nofongarina ary natolotra ny fianakaviana. Lehilahy miisa roa hatreto no efa voasambotra tamin’ity vonoan’olona ity.
➡️Nentina avy hatrany teny amin’ny Biraon’ny Polisy izy roa lahy ireto ka hatolotra ny fampanoavana izay efa mandray ny raharaha.