Nanatanteraka valan-dresaka ho fampahafantarana ny zaikabe andiany faha 4 ny FIVAPOVA, na ny Fikambanan’ny Vady Polisy sy Polisy Vavy, ny 17 Jolay 2025 tetsy Anosy ; izay notarihin’ny Filoham-boninahitra Nasionaly, Ramatoa Faniry RAKOTOARIMANANA, vadin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka ; sy ny Filoha Nasionaly, Ramatoa Malala Priscilla RANDRIANIRINA TOMBOSOA.
➡️Efa mipetrapetraka ny fanomanana ny zaikabe nasionaly ary nandray an-tanana izany ireo vaomiera rehetra eo anivon’ny Komity Mpanomana ny Zaikabe ; ny 30 Jolay – 02 Aogositra 2025 izao no hanatanterahana izany ao Toamasina. Teny aina entina miatrika ny Zaikaben’ny FIVAPOVA amin’ity taona ity ny hoe : « Viavy miray hina rô, iray vina e ! ».
➡️Hetsika maro no efa nataon’ny FIVAPOVA hatramin’izay mba ho fitsinjovana ny maha olona, fampitomboana ny firaisankina, fampivoarana ireo mpikambana ary indrindra fanohanana ny asa maha Polisy.
➡️Mandritry ny efatra andro any Toamasina dia maro ireo hetsika ho atao ka isan’izany ny : Carnaval mialohan’ny lanonam-panokafana, ny fifaninanana vakodrazana andraisana anjara ho an’ireo isam-paritra, ny fampisehoana aram-pilazan-tsara izay anisan’ny hampiavaka ity andiany faha 4 ity, ny valandresaka mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana, fifaninanana ara-panatanjahatena, fifaninanana Miss, fivoriam-be handraisan’ny rehetra anjara, fitsangatsanganana sy nofo-kena mitampihavanana. Hisy ihany koa ny « clinique mobile » ahafahana manao fizaham-pahasalamana amin’io fotoana io.
➡️Any amin’ity zaikabe atao any Toamasina ity no ahafantarana ny toerana manaraka handray ny zaikabe andiany faha dimy afaka telo taona.

FIVAPOVA /ZAIKABE 2025 : MPIZAIKA MAHERIN’NY 3000 AVY AMIN’NY LAFY VALON’NY NOSY NO ANDRASANA ANY TOAMASINA NY 30 JOLAY HATRAMIN’NY 02 AOGOSITRA

Vous pourrez aussi aimer