Toy ny afo tsy maty ao am-pon’ny Malagasy ny fahatsiarovana ireo tolona sy fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo mahery fon’ny firenena, izay nanolotra ny ainy ho an’ny fahaleovantena.
➡️Tontosa ny marainan’ny 19 Jolay 2025 tetsy Antsaham-pitifirana Ankatso ny lanonam-pahatsiarovana ny faha-77 taona nanamarihana ny nitifirana ireo mahery fo Malagasy. Nisy araka izany ny fametrahana afom-pahatsiarovana sy fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato fahatsiarovana ny Lietnà RANDRIAMAROMANANA Albert, RAKOTONDRABE Samuel, RATSIZAFY Samuel Bekamisy, ary LEZOMA, izay maty voatifitry ny mpanjanaka noho ny fitiavan-tanindrazana sy fitakiana ny falehovantena.
➡️Nitarika ity lanonam-pahatsiarovana ity ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, notronin’ny filohan’ny Antenimerandoholona ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, sy ny Minisitra delegé misahana ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara, niaraka tamin’ireo olomanankaja sivily sy miaramila maro.
➡️Nofaranana tamin’ny fitsidihana ny tranoheva nampirantiana ny tantaran’ireo dimy mirahalahy mahery fo ny lanonana.

1948 – 2025 : LANONAM-PAHATSIAROVANA NY FAHA-77 TAONA NANAMARIKA NY NITIFIRANA IREO MAHERY FON’NY FIRENENA NITAKY NY FAHALEOVANTENAN’I MADAGASIKARA

Vous pourrez aussi aimer