Notezaina tao amin’ny akany fitaizàna ireo kambotin’ny Polisimpirenena tao Ambatolampy i Tanjona ary efa nandalo tsy fahasalamana no izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Tamin’ny taona 2020 izy no nanomboka niditra tao amin’ny Akany Ambatolampy, afaka CEPE ny taona 2021 ; « classe de 4eme » izy izao nandao izao.
➡️Fantatra fa mpianatra isan’ireo mendrika hatrany tao amin’ny akany i Tanjona, na teo amin’ny fitondran-tena izany na ny fahaizana. Porofon’izany, isan’ireo mpianatra miisa 4 mianadahy izay mendrika indrindra avy ao amin’ny akany izy ka nisitraka fialan-tsasatra tany Mahajanga tamin’ny taona 2023, niaraka tamin’ireo zaza kambotin’ny Tafika malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena.
➡️Nanomboka ny fitsaboan-tena teto an-toerana izy noho ny olana ara-pahasalamana nianjady taminy. Nalefa nitsabo tena tany Inde izy tamin’ny volana martsa teo noho ny fahasarotan’ny toe-pahasalamàny.
➡️Isaorana indrindra ny Fitondram-panjakàna ankehitriny tamin’ny nahafahany nanaraka io fitsaboana tany ivelany io tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny vola sy ny toe-karena, ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ary ireo malala-tanana maro izay nanampy nahafahany niatrika izany fitsaboana izany.
➡️Omaly Alatsinainy 21 Jolay 2025 hariva moa no tonga nirodorodo nankahery ny fianakavian’i Tanjona ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka notarihan’Andriamatoa Minisitra, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ny vadiny, Ramatoa Faniry RAKOTOARIMANANA, izay sady filoham-boninahitry ny fikambanana FIVAPOVA ; notronin’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.