Ady amin’ny fanendahana sy sinto-mahery
➡️Avy nanao sinto-mahery findain’olona nandalo teny Anosy mihitsy ity jiolahy ity no hitan’ireo Polisy ka raikitra ny fanenjehana azy, ny antoandron’ny 21 Jolay 2025. Tsy lasa lavitra fa teo akaiky teo ihany izy dia voasambotra ka rehefa nosavaina dia nahitàna finday miisa efatra, izay finday halatra avokoa, teny aminy.
➡️Avy hatrany dia nentina teny amin’ny biraon’ny kaomisaria Mahamasina ity mpanendaka ity nanaovana fanadiadihana sy atao andri-maso.

 

MPANAO SINTO-MAHERY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIN’NY FIFAMOIVOIZANA TETSY ANOSY

Vous pourrez aussi aimer