Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
✅Tontosa ny 23 jolay 2025 tao amin’ny efi-trano «R+ Rose » Ankatso ny adi-hevitra sy dinidinika mikasika ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra eo amin’ny Oniversite Ankatso.
➡️Nitarika ny fivoriana ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tsiansa Ramatoa Voahirana RABOANARIJAONA ary ny Tale Jeneralin’ny « Centre Régional des Œuvres Universitaire d’Antananarivo » Andriamatoa MAMISOA Aina, ny lehiben’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faharoa, ny Commissaire de Police RAVELOTAHINA Mika Olivier ary ny solontenan’ireo mpianatra eto anivon’ny Oniversite Ankatso.
➡️Tapaka fa ho hamafisina ny fiaraha-miasa, ny fisafoana eny amin’ny tranon’ny mpianatra, ny fanatsaràna ny fitaovana fiarovana ; teo ihany koa ny fanentanana ny mpianatra mba ho sahy hitoroka ny mpanao ratsy eny amin’ny faritry ny anjerimanontolo sy ny trano fonenan’ny mpianatra.