Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
✅Lehilahy mpiavarotra cocaine no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy ny 19 jolay 2025 teo teny Ambohimangakely. Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana ity lehilahy ity ka nanaovan’ny Polisy velam-pandrika ny hisamborana azy.
➡️Nandritra ny fisavana ny tranony no nahitàna cocaine milanja 1,810 kilao tao aminy.
➡️Noetina teny amin’ny birao avy hatrany ity lehilahy ity natao famotorana ary rehefa natolotra ny fampanoavana ny Alatsinainy 21 Jolay 2025 dia nidoboka am-ponja eny Tsiafahy.

 

MPIVAROTRA COCAÏNE VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA, NIDOBOKA ENY TSIAFAHY

Vous pourrez aussi aimer