Notanterahina amin’ny fomba ofisialy teto amin’ny Ecole Nationale Supérieure de Police Ivato ny 28 Jolay 2025, ny fanaovantsoniam-piarahamiasa eo amin’ny Departemantan’ny Filaminambahoaka ao Anhui, an’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine sy ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana. Miompana amin’ny fanomezana fitaovana ho an’ny Polisimpirenena malagasy ny fanombohan’izao fiarahamiasa izao.
☑️ Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny S.E.M. Qin Weiguo, Tale Jeneralin’ny Departemantan’ny Filaminam-bahoaka ao amin’ny Faritanin’i Anhui, ny S.E.M. JI Ping, Masoivohon’i Chine eto Madagasikara, ary ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
☑️ Izao fihetsika izao dia manamafy ny fifampatokisana eo amin’ny Polisimpirenena malagasy sy ny Polisy sinoa. Mbola hitohy amin’ny sehatra maro samihafa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY POLISIMPIRENENA MALAGASY SY NY POLISY SINOA : HATOMBOKA AMIN’NY FANOMEZANA FITAOVANA HO AN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA ATSINANANA, AVY AMIN’NY DEPARTEMANTAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA AO AMIN’NY FARITAN’I ANHUI AO CHINE

Vous pourrez aussi aimer