Ady amin’ny halatra isan-karazany
✅Ny 28 Jolay 2025 tamin’ny iraikambinofolo ora alina no sendran’ny Polisy avy ao amin’ny Poste Avancé Antaniavo, manao fisafoana, ity lehilahy ity sy ny namany. Nirifatra nitsoaka avy hatrany izy roalahy vao nahita ny Polisy ka tafaporitsaka tanaty elakelan-trano ny iray. Ity lehilahy 31 taona ity kosa voasambotra niaraka tamin’ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro vao avy nangalariny.
✅Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Polisy moa ity lehilahy ity, hanaovana fanadihadihana mialoha ny hanolorana azy eo anoloan’ny fampanoavana.