Ady amin’ny halatra isan-karazany
✅ Lehilahy iray 21 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police Ampefiloha ny Talata 29 Jolay 2025 atoandro teny Ambalavao Isotry. Tratra ambodiomby nivarotra entana halatra izy.
☑️ Ny 27 Jolay 2025 no nametraka fitoriana noho ny fahaverezana bisikileta ny tompon’entana. Hitan’ilay mpitory teny Ambalavao Isotry ireo kodiaran’ny bisikileta very ka nampandre avy hatrany ny Polisy ao Ampefiloha izy.
☑️ Nidina teny an-toerana ny Polisy ka tratra teo am-pivarotana ireo kodiarana ny lehilahy. Rehefa nojerena dia kodiarana roa avy amin’ilay bisikileta very no mbola hita teny aminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ho fanohizana ny fanadihadiana sy hikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy.