Fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra
✅Lehilahy roa, 21 sy 30 taona, no tratran’ny Polisy teo am-pangalarana jiro tao an-tokotanin’olona teny Antohomadinika IVO, ny maraim-ben’ny Alakamisy 07 Aogositra 2025.
✅Polisy manao fisafoana no naheno antso vonjy ka nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ary tratra ambodiomby ireto mpangalatra ireto.
✅Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy avy hatrany izy roalahy hanaovana fanadihadiana ary fantatra fa tsy vao izao no tratra tamin’ny fangalarana jiro tahaka izao. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora izy roalahy ireto rehefa natolotra ny fitsarana.

 

TRATRA AMBODIOMBY NANGALATRA JIRO TEO AN-TOKOTANIN’OLONA TETSY ANTOHOMADINIKA : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer