Ady amin’ny fanaovana sy fanapariahana vola sandoka
✅ Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena tao Antampontsena, Kaominina Ambanivohitra Ambovombe Centre, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania ny 13 aogositra 2025, noho ny famitahana “Cash Point” tamin’ny vola sandoka.
✅ Vola sandoka 50 isa amin’ny 20 000 Ariary, no saika ho alefan’izy ireo tamin’ny laharana finday hafa. Nahatsikaritra avy hatrany ireto vola sandoka ny tompon’ny “Cash Point” ka niantso ny Polisy. Nandositra ireto lehilahy ireto saingy tratran’ny sakana napetraky ny Polisimpirenena teo amin’ny fivoahan’ny Kaominina.Rehefa nosavaina dia mbola hita teny aminy ny ambin’ny vola sandoka maromaro mitentina 2 hetsy sy 1 tapitrisa ariary.
✅ Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena izy ireo hanokafana fanadihadiana.

 

LEHILAHY ROA NAMPIASA VOLA SANDOKA TAMINA CASH POINT IRAY , VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TANY ANTAMPONTSENA AMBOVOMBE- MANANDRIANA.

Vous pourrez aussi aimer