-Nanatanteraka fidinana ifotony hijerena ny zava-misy sy ny fiainam-bahoaka ao amin’ny faritra Boeny ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala nanomboka ny 21 Aogositra 2025.
– Ny andro voalohan’ny fitsidihana dia fivoriana in-droa miantaona no notarihin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka dia ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana ao anatin’ny OMC izay natrehin’ny Goverinoran’ny Faritra ihany koa. Nodinihina nandritra izany ny lafiny fampandrosoana ny faritra Boeny sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra.
– Teo ihany koa ny fivoriana niarahany tamin’ireo Hery Fiarovana sy Filaminanana telo tonta. Nitondra fankaherezana sy fanentanana ho an’ireo mpitandro ny filaminana ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ity fotoana ity. Namporisika hatrany ny hanohizana ny ezaka efa vita sy ny fiaraha-mientana ho fametrahana ny fandriam-pahalemana ho an’ny mpiray tanindrazana araka izany Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka.
– Nampita hafatra amin’ny fahamailoana hatrany eo amin’ny fanaraha-maso sy fiarovana ny sisin-tany mba hiatrehana ireo ambana marolafy miseho eny amin’ny sisin-tany ihany koa izy ; ary mba hisorohana ny fandikan-dalàna mety hisy, tahaka ny trafikana zava-mahadomelina sy ireo harem-pirenena voajanahary.
– Mbola hitohy amin’ny fitsidihana ireo distrika hafa mandrafitra ny faritra Boeny izao fandalovan’ny Minisitry ny Filaminambahoaka any an-toerana izao.

MANATANTERAKA FITSIDIHAM-PARITRA AO BOENY NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer