Ady amin’ny hosoka sy famarinana olombelona
-Vehivavy miisa 2 , izay voafitaka tamina tolotr’asa mankany Maurice no nitaraina ary nametraka fitoriana teo anivon’ny sampan-draharahara misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin’ny hosoka eto anivon’ny Polisimpirenena ny 31 Jolay lasa teo. Vola mitentina 8.000.000 Ariary avy nolazaina fa saran’ny fikarakaràna rehetra nalain’ireo mpisoloky tamin’izy ireo kanefa dia antontan-taratasy hosoka avokoa no natolotr’ireto farany azy, hatramin’ny tapakila ho an’ny fiaramanidina dia hita fa hosoka avokoa.
-Voasambotra ny 1 Aogositra ny olona 4 mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpanao hosoka ka taratasy hosoka maro be no tratra tany amin’izy ireo nandritra ny fanadihadiana. Hita tamin’izany ohatra ny Kopian’ny soram-pahaterahana hosoka miisa 49, karapanondro hosoka miisa 6, valin’ny fizahàna ara-pahasalamàna hosoka miisa 12 sy taratasim-pokontany hosoka maro hafa. Niaiky moa izy ireto fa hosoka avokoa ireo taratasy ireo ka nanoro ny tompon’antoka amin’ny famoronana ny hosoka izy ireo.
-Ny 16 Aogositra 2025 indray no tratra ireo olona roa tompon’antoka voalohany amin’ny fanaovana ireo taratasy hosoka. Nandritra ny fisavàna dia hita tao an-tranon’ireto farany ny fitombokase hosoka miisa 112 izay amin’ny anarana sampan-draharahampanjakana maro, toy ny ratsa-mangaikan’ny Ministeran’ny Fitsarana (9 isa) , Ministeran’ny Raharaham-bahiny (3 isa) Minisiteran’ atitany sy ny Fanapariaham-pahefana ( 74 isa) ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ( 15 isa) ary fitombaka sampan-draharahara tsy miankina ( 11 isa).
– Mampiasa karazana karapanondro hosoka ireto olon-dratsy ireto hanantanterahana ny asa ratsiny ary amboarin’izy ireo avokoa ny antontan-taratasy rehetra ilaina ny amin’ny fandehanana miasa any ivelany toy ny « bulletin n°3 », Kopia lava, ny Soratra an-tsisiny, fanamarinam-ponenana, fanomezan-dalana avy amin’ny raiamandreny, soram-piankohonana, fanamarinana amin’ny asa, fizaham-pahasalamàna, diplaoma, miampy taratasy hosoka maro samihafa.
– Fantatra fa 3 tapitrisa Ariary ka hatramin’ny 10 tapitrisa Ariary no alain’izy ireo amin’ny olona izay maniry hiasa any ivelany ary misy ireo misedra fahasahiranana goavana rehefa tonga any amin’ny tany tokony hiasany satria taratasy hosoka avokoa no entin’izy ireto nivoaka. Betsaka ihany koa ireo voasoloky tsy afaka nivoaka mihitsy satria hatramin’ny tapakilan’ny fiaramanidina dia hosoka avokoa.
– Olona 5 no nidoboka am-ponja vonjimaika tamin’ity raharaha ity rehefa niakatra fampanoavana ny 4 Aogositra sy ny 20 Aogositra 2025.
-Raha ny taona 2025, dia fitarainana miisa 30 mahakasika tranga fisolokiana amin’ny resaka fandefasana mpiasa mankany ivelany no voarain’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy ny ady amin’ny hosoka.
-Manentana ny rehetra mba ho mailo ary hitandrina sy hanadihady tsara rehefa misy resaka tolotr’asa any ivelany mba hisorohana ny tranga fisolokiana, ny fampiasana hosoka ary indrindra mety hitarika famarinana olombelona izany. Entanina ny rehetra mba hanantona mivantana ny sampan-draharaha misahana ny tolotr’asa any ivelany sy ny sampan-draharaha misahana ny fifindra-monina fa tsy hitoky amina mpanelanelana. Ho an’ireo izay mahita na maheno tranga miendrika famarinanana olombelona afaka mitoroka eny anivon’ny sampandraharahan’ny Polisimpirenena akaiky azy indrindra.