Ady amin’ny halatra mianjady amin’ireo fananana iombonana
– Teo am-pangalarana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tetsy Tsiadana ity lehilahy ity no tsikaritry ny fokonolona ka niantsoan’izy ireo Polisy, ny maraimben’ny 27 Aogositra 2025.
– Tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ka nisambotra azy. Nentina tany amin’ny biraon’ny Kaomisarian’ny Boriborin-tany faharoa izy hanokafana fanadihadiana sy hatao andri-maso mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

LEHILAHY IRAY TRATRA AMBODIOMBY NANGALATRA JIRO ENY AMIN’ NY ARABE TENY TSIADANA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer