Ahoana ny famantarana ny hosoka amin’ny cryptomoney sy ireo mpisoloky ho mahay mampitombo vola ao anaty facebook ?
– Milaza fa manome tombom-barotra 100% ka hatramin’ny 500% anatin’ny fotoana fohy izy. Izany hoe tolotra tena mahasarika hatrany no ataon’ireo mpisoloky
-Misy fanerena an-kolaka na mivantana amin’ny fotoana takiany andefasana ny vola.
-Misy fangatahana sarany miafina hatrany ataon’ireo mpisoloky : saran’ny « famoahana », « fanovàna », « fanamarinana »
-Rehefa nalefanao ny volanao dia mitaky vola hafa mihoatra foana ireo mpisoloky. Aorian’izay izy tsy hita intsony mihitsy
-Fifandraisana amin’ny tambazotra sosialy : amin’ny ankapobeny, ny tena orinasa eo amin’ny sehatry ny fampiasam-bola tsy mifandray amin’ny Facebook ka mila mailo hatrany raha mahita ranty momba izany.
-Fomba fiarovana
– Tsy azo atao ny mandefa vola amin’olona tsy fantatrao mihitsy fa miafina ambadiky ny facebook na internet.
– Hamarino ny fahazoan-dalana momba ny orinasa fampiasam-bola.
– Hamarino hatrany ireo « plate forme » sy ranty hidirana amin’ny fampiasam-bola amin’ny cryptomonnaie
– Aza mizara teny miafina MVola, Orange Money na Airtel Money anaty internet na facebook.
– Mametraha foana ahiahy raha mangataka « saran’ny famoahana » aminao ilay orinasa.
– Dinihina miaraka amin’ny fianakaviana sy namana mialohan’ny hanao fampiasam-bola lehibe.
– Tsara ny miezaka manovo fahalalàna momba ny cryptomonnaie mba hisorohana ny fitaka mialohan’ny hidirana amin’io sehatra io
– Inona no hatao raha lasibatry ny hosoka ianao?
– Manaova fitoriana any amin’ny biraon’ny Polisimpirenena akaiky anao indrindra.
– Tehirizo ny porofo rehetra (sary alaina, tapakila, laharana).
– Ampandreneso ny havanao sy ireo namana mba tsy hahatafiditra azy ireo amin’io fisolokiana io.
– Aza mandoa vola intsony, na miaro fandrahonana aza.

 

NY TSARA HO FANTATRA SY NY FITANDREMANA MOMBA NY HOSOKA AMIN’NY CRYPTOMONNAIE SY IREO MPISOLOKY HO MAHAY MAMPITOMBO VOLA AO ANATY FACEBOOK

Vous pourrez aussi aimer