Notanterahina ny 29 Aogositra 2025 tao amin’ny Kaomisaria Analakely ny famindram-pitantanana teo amin’ny Commissaire de Police RAKOTONDRAFARA Solotsivery Miarozo izay hisolo toerana ny Commissaire de Police RANDRIAMPARANY Ted Steven izay voatendry ho lefitry ny Kaomisaria foibe Tsaralalàna.
– Taorian’izay dia nandray ny andraikitra vaovao maha lefitry ny Commissaire Central azy, ny Commissaire de Police RANDRIAMPARANY Ted Steven, izay nisolo toerana ny Commissaire Principal de Police RASOLOARISON Holimanantsoa Herinjaka Lalaina. Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Kaomisaria Foibe Tsaralalana ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny roa-tonta.
– Nitarika izao lanonana izao ny Talen’ny Hery Vonjy Taitra, ny Commissaire Principal de Police, RAKOTONIRINA Jimmy Clark izay nisolo tena ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga. Tonga nanome voninahitra izany ny Solombavam-bahoakan’ny boriboritany voalohany, Andriamatoa Augustin ANDRIAMANANORO, ny Directeur de la Police Judiciaire, ny Contrôleur Général de Police N’DIAYE Jean Meambly Tidahy sy ireo olo-manankaja maro.

FAMINDRAM-PITANTANANA TEO ANIVON’NY KAOMISARIA FOIBE SY NY KAOMISARIA ANALAKELY

Vous pourrez aussi aimer