Ady amin’ny fandikan-dalàna isan-karazany eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana.
✅ Niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera Facebook ny taxibe 015 iray nanao fandikan-dalàna ankitsirano teny Maroroho Tsimbazaza ny 2 Septambra 2025.
✅ Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CSP 2 Ambohijatovo sy ny Polisin’ny fifamoivoizana ny tolakandron’ny Alarobia 03 Septambra 2025 ny mpamily sy ny mpanampy azy teny Anosy, ny fiara kosa nampidirina ambalam-pamonjana.
✅ Nafindra fiara hafa ny mpandeha tamin’ity fiara fitateram-bahoaka ity. Ny mpamily sy ny mpanampy azy kosa dia nalefa avy hatrany teny amin’ny Brigade des Accidents de la Circulation (BAC) Tsaralalàna mba hanohizana ny fanadihadiana.

 

TAXIBE ZOTRA 015 NANAO FANDIKAN-DALÀNA TENY MAROROHO TSIMBAZAZA, AZO HORON-TSARY ARY NIELY TAO AMIN’NY FACEBOOK, VOASAMBOTRY NY POLISY NY MPAMILY SY NY MPANAMPY AZY

Vous pourrez aussi aimer