Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
-Nametrahana paikady vaovao sy lamina manokana ny lalam-baovao rond point kianja Makis Andohatapenaka mihazo ny rond point Madinox Ankasina mba hanamaivanana ny fitohanana amin’ny fotoana mahabe mpivezivezy iny lalana iny.
-Araka izany, natao « double file » ny maraina raha avy any amin’ny kianja Maki ho any Ankasina Made Inox, ary amin’ny hariva kosa dia « double file » avy any Made Inox Ankasina ho any amin’ny lalana mankany amin’ny kianja Maki Andohatapenaka.
-Hisy ihany koa ny Polisy misahana ny fifamoivoizana nampetraka mba hampizatra ny mpampiasa lalana amin’ity fandaminana vaovao ity ka entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika sy ny lamina napetraka ho tombotsoan’ny be sy ny maro.
-Mirotsaka an-tsehatra eny an-toerana nanomboka ny Alarobia 4 Septambra 2025 teo ny lehiben’ny Kaomisaria foibe Tsaralalana, ny Commissaire Principal de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fandrindrana fifamoivoizana ao amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalana nanara-maso sy nametraka ity lamina vaovao ity.

NAMETRAKA LAMINA VAOVAO NY POLISIMPIRENENA AVY AO AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE ANTANANARIVO ENTINA MANDRINDRA NY FIFAMOIVOIZANA ETSY AMIN’NY LALAM-BAOVAO MAMPITOHY NY ROND-POINT MADE INOX ANKASINA SY NY KIANJA MAKI ANDOHATAPENAKA MBA HANAMAIVANANA NY FITOHANANA REHEFA MARAINA SY HARIVA

Vous pourrez aussi aimer