– Ady amin’ny asan-jiolahy
– Nitrangàna na fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ny tsenan’Anosibe ny 04 Septambra 2025 tamin’ny 4 ora tolakandro.
– Efa narahin’ireto olon-dratsy maso efa ela ilay niharamboina, ary nikasa ny haka ny vola teny aminy izy ireo. Niantso vonjy ilay lasibatra rehefa nahatsikaritra ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy. Vory avy hatrany ny olona teo amin’ny manodidina sy ny mpiandraikitra ny fandriampahalemana ao an-tsena.
– Nodarohan’ireo olon-dratsy ilay mpamongady horobain’izy ireo ka naratra, efa nahazo fitsaboana teny amin’ny hopitaly kosa izy.
– Noraisim-potsiny ireo roalahy tamin’ireo mpanafika noho izy ireo efa voatazon’ireo tompon’andraikitra filaminana ao amin’ny tsena.
– Tonga teny an-toerana haingana ihany koa ny Polisimpirenena ka nentina teny amin’ny biraon’ny CSP 5 Mahamasina ireto mpandroba ireto.
– Nandritra ny fakàna am-bavany azy ireo no nanoro ny mpiray tsikombakomba aminy roa hafa izy ireo,
izay ati-doha niketrika izao fanafihana izao.
– Samy tazonina eo anivon’ny Kaomisaria izy ireo hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hitondràna ny raharaha eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

TAMBAZOTRA MPANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA RAVAN’NY POLISIMPIRENENA ; LEHILAHY EFATRA VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer