-Naharay fitoriana ny Polisimpirenena avy ao Tsiroanomandidy mahakasika halatra nataona mpiasa iray tamin’ny mpampiasa azy tany an-toerana ny 03 septambra 2025.
-Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ny Polisy avy ao Bongolava dia fantatra fa niakatra tao Antananarivo ilay mpangalatra ka tao amina efitrano iray tao amin’ny Sekoly iray tao Mahamasina no nanafenany ireo entana halatra.
-Ny Talata 09 Septambra 2025 dia niroso tamin’ny fisavana tao amin’ilay trano nanafenana ireo entana tao amin’io sekoly voatonona io ny Polisy rehefa nahazo taratasy fahazoan-dalana hisava ny toerana avy amin’ny Fitsarana ary efa nahazo alalana tamin’ny talen’ ny sekoly.
-Rehefa nosavaina ny toerana fametrahana entana tao amin’ny faritry ny sekoly dia hita tao avokoa ireo entana halatra tany Bongolava.
-Mbola eo ampanaovana fanadihadiana ny Polisy hikarohana ny tompon’antoka tamin’ity halatra ity.