Fijerena ny lafiny maha olona
-Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, tao amin’ny birao tao Anosy ny Alakamisy 11 Septambra 2025 ireo mpanao fanatanjahantena manandratra avo ny lazan’ny Polisimpirenena.
-Araka izany, isan’ny noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka ny COSPN Basketball izay tafiakatra amin’ny dingana apahefa-dalan’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara. Ny Zoma 12 Septambra 2025 izao no hiatrika ny lalao am-pahefadalana ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny COSPN Basketball.
-Nitso-drano ny ekipa Andriamatoa Minisitra mba ho tonga hatrany amin’ny lalao famaranana ny COSPN Basketball ka hibata ny anaramboninahitra tompon-dakan’i Madagasikara indray.
-Ankoatra izay dia noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka ihany koa ny COSPN Football izay voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Analamanga eo amin’ny taranja baolina kitra tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity.
-Nihaona tamin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka ihany koa ny Sous-Brigadier de Police RABEMANANTSOA Radoniaina, vodilaharana an-kavanan’ny Barean’i Madagasikara ary nahazo ny tompon-daka lefitra niaraka tamin’ny Barea CHAN farany teo.
-Fanampin’izany rehetra izany dia noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka ihany koa ireo Polisimpirenena izay nandray anjara tamin’ny fifaninana ASIEF Nasionaly natao tany Mahajanga tamin’ny volana Aogositra teo iny. Samy nandraisan’ny Polisimpirenena anjara avokoa, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy ary sokajy mixte ny taranja Football, Basketball, Athletisme ary ny taranja Tsipy Kanetibe ho an’ny sokajy lehilahy.
-Tsy nitsanga-menatra ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka nandritra ny fifaninana ASIEF 2025. Nibata anaramboninahitra amin’ny maha tompondaka miisa 8 ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ary nahazo medaly volamena miisa 17.
-Toy izao ny vokatra ankapobeny azon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka nandritra ny ASIEF 2025
• Football Senior : Championne nationale et championne régional
• Football vétéran : Championne
• Football féminin : vice-championne et championne régional
• Basketball vétéran : Championne
• Athlétisme : Laharana voalohany
• Tournoi inter FDS : vice-championne
-Nitondra fankasitrahana sy fisaorana ho an’ireo mpanao fanatanjahantena rehetra tsy ankanavaka ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ny fandraisany azy ireo. Nitso-drano sy namporisika azy ireo mba hiezaka sy hitondra ny tsaratsara kokoa hatrany ihany koa Andriamatoa Minisitra ka hanandratra avo hatrany ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena izy ireo.

NORAISIN’ANDRIAMATOA MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA IREO MPANAO FANATANJAHANTENA MANANDRATRA AVO NY VONINAHITRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer