Ady amin’ny herisetra
-Nidina ifotony tao amin’ny Kolejy Notre Dame d’Isalo, Ranohira, ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Commissariat Central Ihosy sy ny BFP Ihorombe ny 06 septambra 2025, nitondra fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy (VBG).
-Tanora Katolika miisa 500 teo ho eo avy ao amin’ny Diosezin’i Ihosy, izay namonjy ny JMJ, no nisitraka izany.
-Ny Commissaire Principal de Police BEMAHAVITA José Franck, Lehiben’ny Commissariat Central Ihosy, no nitarika ny hetsika, notronin’ireo mpiara-miasa aminy sy ny Lehiben’ny Commissariat de Police Ranohira.
-Nampahafantarina nandritra ny fanentanana ireo lalàna manenjika ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny endrika fanararaotana, ireo karazana herisetra matetika miseho, ary ny lalàna momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy.
-Namporisihina manokana ny tanora sy ny vahoaka mba ho sahy mitoroka sy mitatitra tranga herisetra, ary hampihatra fihetsika fisorohana mba hisorohana ny fihanaky ny herisetra eo anivon’ny fiaraha-monina.