– Nitsidika an’Anjozorobe ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dani Marius ny 12 septambra 2025. Tonga tao amin’ny tobin’ny FIP Anjozorobe izy sy ireo delegasiona niaraka taminy, nitarika fivoriam-be sy fihaonana nifantoka tamin’ny fanamafisana ny asa fitandroana ny filaminana ary koa ny fitondran-tenan’ny Polisimpirenena miasa eny ifotony.
– Ity fitsidihana ity dia niompana indrindra amin’ny fanatsarana ny fitondran-tenan’ny Polisy eo amin’ny asa ; anisan’ny noresahana tamin’izany indrindra ny fankasitrahana ny ezaka efa vita teo amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra any amin’ny distrikan’Anjozorobe, fampahatsiahivana momba ny fitondran-tena sy ny fifandraisana amin’ny vahoaka.
– Nandritra ny fihaonana dia natsidika ny fanamafisana ny paikady entina miaro ny vahoaka sy ny fananany ary koa manampy ny mpiray tanindrazana amin’ny lafiny maro. Santionany amin’izany ohatra ny fampitomboana ny fisafoana mba entina manamafy ny Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka, ny fiaraha-miasa amin’ny OMC sy ireo mpitandro filaminana ao an-toerana, ny fanamafisana ny fanaraha-maso ireo Polisimpirenena miasa amin’ny sakana.